MP3 : beloha RICKY / INY HAVAKO INY (2008)

beloha RICKY / INY HAVAKO INY (2008)
Ecouter ce morceau
Titre : INY HAVAKO INY [Ajouter ce morceau à mon blog]
Album : beloha RICKY
Année : 2008
Paroles :
(souvenir de mada)

INY HAVAKO INY




Efa ela loatra ho'aho e
Zay nandehananao tany 'zay
Tsy nisy fotoana nihaonana aminy e
Nihodina any izy nihodina ndraindray

Toa nahatsiarotsiaro 'reo sary efa lasa
Nanganohano 'zaho niandry anao mba ho hita
Tsy nety voafafa ho'aho ireo lasa fahiny
Mbola hiraiko na mamirifiry

* Isan'andininy :
Iny havako iny o! iny
Raha sendra mandalo dia antsoy mba hivily
Iny havako iny o! iny
Raha sendra mandalo enao miandry fona a!

Taiza foana a! taiza enao e!
Mangingina tsy misy mpilalao
Maloka fona tsy nety nazava e!
Ny habakabaka hitambarako aminao

Dia nahatsiarotsiaro 'reo sary nandratra
Nanganohano zaho niandry anao mba ho hita
Tsy nety voafafa ho'aho ireo lasa fahiny
Mbola hiraiko na mamirifiry


--> *

Iny havako iny (8)
# Posté le vendredi 29 février 2008 15:40

MP3 : Very aho / North & center (2007)

Ecouter ce morceau
Titre : North & center [Ajouter ce morceau à mon blog]
Album : Very aho
Année : 2007
Paroles :



VERY AHO





Eny lasa ny herin'andro,namaly iray volana
Izao voa tena tsapako fa mipetraka ny olana
Lasa ny silam-batako,lasa lavitra tsy nampandre
Asa re,fa dia nanjavona teo ve
Irery aho fa tena lavitra anao
Fa dia nahoana kosa no nilaozanao tahaka izao
Tsy nisy ratsy nifanaovana sa izao ilay tena sakana
Tsy milamina ny fiainako mafonja ny hakiviana
Nandoa sakafo natelina aho nangidy dia nariana
Voafitaka,ny mahaolona ahy tapatapaka tamiko
Raha mba eo izao ilay tiako mahita ny fijaliako
Angamba mety hangoraka ka hitsabo ny fangirifiriako

Ref:Tsy hita ianao tsy nampandre
Ny foko miantsoantso hoe:
"Modia fa tena irery aho
Tsy eo akaiky anilanao"

Semban-drahona mavesatra nanarina ny tontolo
Aloka mainty niserana tena tsy matiko lolo
Izaho nikolokolo ry zalahy niketriketrika
Nandrava ny efa vita sady be fitetika
Fefiky ny alahelo ny foko lasa nisy fery
Nandinika nijery ireo adin-tsaina mahery
Nankahery samy irery dia nampionon-tena
Izay angamba ny lahatra ka tsy maintsy nekena
Voafitakin'ny fitiavana aho diso tafahoatra
Ka jambena tsy nahita kay izy ity ratsy toetra
Tonga saina tamin'izay vao taitra nitsamboatra
Nefa diso tara loatra ka tsy afaka nanoatra

Ref:Tsy hita....

Tsy te-hahalala izy tsy fantatro izay misy an'azy
Any am-pitan-dranomasina angamba mazava ho azy
Nivalona ihany ity ny taona tsy nisy taratasy tonga
Mahatsapa tena very aho tsy eo akaikinao
Lasa lavitra ny saiko rehefa misora eo am-baravarankely
Voaisako ny kintana tsy hafeniko manirery
Miboboka toaka e hamonoana eritreritra
Dia mi-sentimaka sisa mitanisa ny efa vita
Na dia mibahana ato amiko aza ny alahelo
Tsy zakako fa manjaka ny fankahalana fanomezan-tsiny
Any ka tsy resiko ny fiantsoana tody
Hamaliako faty rehefa tonga iny ianao ka mody

Ref:Tsy hita....

North and Center feat Piso
# Posté le samedi 20 octobre 2007 07:22
Modifié le samedi 20 octobre 2007 09:49

MP3 : LaNdY & HaJa / REHEFA TIA (2007)

LaNdY & HaJa / REHEFA TIA (2007)
Ecouter ce morceau
Titre : REHEFA TIA [Ajouter ce morceau à mon blog]
Album : LaNdY & HaJa
Année : 2007
Paroles :
Enregistré :à Madagascar
Studio:ARC EN CIEL


REHEFA TIA


Yeah Ok!
Finoana sisa anaty ny foko
Naderaiko misoko
Mangina nefa indrisy tsy afaka iroso
Ilay fitia efa namporako iny nefa sarotra ekena
Dia hatramin'izao aho miandy enao io mbola manatena
Masoandro ray zay aviany amin'ny lay endrikao zay Yeah!!
Fazavana ho ahy mandrakizay
Tsy maty an-tsaiko
fitoetra fona ijaly no faniry ny fiainako
Anavotra amin'ny andro fanaitainako


Ref:
Ny azavana mitoetra na dia alavitra aza ianao
Ny afanana navelanao ahy mbola ré mamay
Manafana rehefa sendra ngoly
Toa tamana nefa dé tsy eo ianao
Ny heritreritra no alefa lavitrany mba hijery anao zay
Analana sorisory
Mazàna nefa mieritreritra hoe hafa iany angamba
Izany hoe eo anilanao zany
Mira-dava sady ho faly anadino jaly
Miaina marina ilay iriko tonga sy hitoetra
Eto amiko eto mandrakizay
Fiainana misy anao tiako


2fois:
KA AVELAO AHO: Mba hitoetra eo anilanao
KA AVELAO AHO:iaina marina ny fiainanao
KA AVELAO AHO:Anatateraka ilay faniriko hatramin'izao fa mbola hafa hiany ianao



Fa ianao rery ry aiko nafitako namafa ny olatry ny lasa ratsy tara saika tsy voafafa
Naitako ahy mba misy fitia ty fiainako
Natsapako hoe zany ahy rehefa tia
Fa tsy ilaiko ny saiko ratoha tsy raiko akory
Fiainana natolotro aviany amin'ny raiko
Ra tsisy anao lay mbola natenaiko
Ra ny hoaviko andraidraiko anova ny fiainako ho fafy
Androany aho nefa samy milaza fa hoe tiako ianao
Hoe hafa minhitsy ny eo anilanao
Nefa taloha milaza mihaloha tsy mihoatra ny hoavy
Fa raha ianao mitety vitako ny miandry ny horana tsy ho avy



2fois:
KA AVELAO AHO: Mba hitoetra eo anilanao
KA AVELAO AHO:iaina marina ny fiainanao
KA AVELAO AHO:Anatateraka ilay faniriko hatramin'izao fa mbola hafa iany ianao!


HAJA & LANDY
# Posté le mardi 21 août 2007 19:03
Modifié le samedi 13 octobre 2007 10:01